Faran’ny herinandro nihosin-drà

Jiolahy 3 rotiky ny balan’ny zandary teny Anosizato


  • Talata 26 Desambra 2023

Jiolahy miisa 3 no indray rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo.

Ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny 9 ora alina no naharay vaovao avy amin'ny olona tsara sitrapo ny zandary tao Anosizato, momba ny fahitana olona mampiahiahy nihaodihaody mitondra basy anaty akanjo tetsy Anosizato Andrefana. Teny Lalambola Ankazotoho Anosizato no nisian’ity toe-javatra. Nidina niaraka tamin'ny zandary teny an-toerana avy hatrany ny CB sy ACB Fenoarivo ary ny CP Anosizato nampian'ny EIR Tanà/Ville. Vao nahatazana ireo zandary anefa ireto farany dia vaky nandositra sady nitifitra ihany. Raikitra ny fifanenjehina, nifampifitra tamin'ny zandary ireo jiolahy ireo. Vokany, 3 tamin'izy ireo no namoy ny ainy, tratra niaraka tamin'izy ireo ny basy 1 miaraka amin'ny bala 3 voakosika, hoy ny tatitra. Somary natao vazivazy moa ny hoe : «billet direct » 3 no nozaraina, teo anatrehan’ireo miisa 3 maty. Ankoatra io dia jiolahy iray ihany koa no lavo teny Ampasika ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT