FARAFANGANA

Vola sandoka 560.000 Ar ireo sarona


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Ravim-bola 20.000 Ar miloko manga sandoka mitentina 560.000 Ariary no tra-tehaka tao Farafangana

afak’omaly 21 Novambra. Ny Polisy tao amin'ny CSPD Farafangana no naharay vaovao fa misy lehilahy manaparitaka vola sandoka ao an-toerana. Raikitra ny fikarohana vokatr’izany ka raha vao naharay antso avy tamina tompona kioska Mvola iray tao amin'ny fokontany Fenoarivo avaratra izy ireo tamin’io andro io ihany dia tonga teny an-toerana avy hatrany. Lehilahy iray 27 taona no tra-tehaka niaraka tamina vola 20.000 Ar sandoka mitentina 560.000 Ar nandritra izany. Nentina nanaovana famotorana teo anivon'ny CSP Farafangana izy, raha nogiazana kosa ireo vola sandoka rehetra. Anio no fantatra fa hiakatra fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo vola sandoka naparitany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT