Farafangana

Mpianaka 2 vavy naolana efa-dahy


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Nitondra kafe 6 taonina avy any Farafangana, izay nokasaina ho amidy eto Antananarivo ny mpianaka 2 vavy

voaolanana efa-dahy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Izy efa-dahy ireto no nilaza tanaty tambajotran-tserasera fa hividy ireo kafe nentin’izy mianaka. Nifanao fotoana teny Ikianja Ambohimangakely izy ireo ny 7 Aogositra teo. Nomen'ireto olon-dratsy ireto sakafo efa voapoizina izy mianaka nandritra ny ady varotra ka tsy nahatsiaro tena. Naolan'izy ireo avy eo ary nangalariny ny kafe sy ny finday miisa 2. Namidin'izy ireo 55 tapitrisa Ariary teny Andohatapenaka sy Andravoahangy ireo kafe. Tratra teny Ankadikely Ilafy sy 67 ha ny sabotsy izy ireo. Efa tafaverina amin'ny tompony kosa ny entana taorian'ny fanadihadiana. Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT