FANONDRANANA SOKATRA RADIATA

Lehilahy iray sarona tany Ejeda


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona mahery no nosamborina tany Ejeda, Faritra Atsimon’ny Nosy ny 16 Novambra

lasa teo rehefa nikasa hanondrana ilay karazan-tsokatra antsoina hoe : radiata. Miisa 16, ireo sokatra saika haondrany ireo raha araka ny fantatra. Ara-potoana anefa ny fampandrenesana ny zandary tao Ejeda nataon’ireo fokonolona Faratse, ka nahitam-bokany avy hatrany. Tafatsoaka moa ireo naman’ity lehilahy mpanondrana sokatra ity izay miisa 03 be izao. Efa eo am-pelatanan'ny fitsarana ao Ampanihy ny raharaha raha efa noraisi'ny Turtle Survival Alliance Madagasikara nokarakaraina kosa ireo sokatra 16 isa ireo. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ireo karazan-tsokatra ahiana ho lany taningana ny sokatra radiate. Ny mampalahelo anefa dia mbola misy hatrany ireo mihaza azy ireny mba haondrana tahaka izao na koa hatao laoka eny amin’ny hotely.
Pati
Legende : Ireto ilay sokatra !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT