FANOLANANA SY FAMONOANA

ZAZA TSY AMPY TAONA


  • Talata 20 Janoary 2026

Mpiambina iray ao an-tanana no ahiahiana ho tompon'antoka

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin'ny Fokontany Antenona, kaominîna ambanivohitr'Ambohimalaza. Nisy zaza tsy hita ny datin'ny 17 Janoary teo tamin'ny 9 ora alina ka nampandre ny Lehiben'ny Borigady ao Ambohimalaza ny Seom-pokontany. Nandefa zandary avy hatrany ny CB hanampy ny fokonolona hanao fikarohana. Nirahina hatsaka rano ilay zaza tsy hita tamin'ny 04 ora hariva raha tsiahivina ary tsy niverina na maizina aza ny andro. Raikitra ny fitadiavana azy ka hita teo amin'ny toerana fantsakan-drano ny kapany sy ny bidon nentiny. Lehilahy iray mpiambina tanàna eo amin'ny manodidina no nipetrahan'ny ahiahy taorian'izany. Porofo maro no hita teo akaikin'ny tranon'ilay mpiambina mantsy. Anisan'izany ny silipon'ilay zaza nihoson-drà hoy ny vaovao, antsy misy rà, vaingan-drà ary tranon'ondana feno rà. Ity mpiambina ity dia efa fantatra fa nanao fihetsika ratsy tamina zaza hafa tany aloha.Ny 18 Janoary teo tamin'ny 10 sasany maraina no hita tao amin'ny dobo Andranonandriana ilay zaza ary efa tsy misy aina intsony. Voamarin'ny mpitsabo fa voaolana, ary novonoina tamin'ny fomba feno habibiana izy. Nahitana dian'antsy mantsy teo amin'ny tendany.Nosamborina avy hatrany ilay mpiambina ahiahiana ho nahavanon-doza.Misokatra ny famotorana ary tsy maintsy hoatolotra ny fitsarana ny raharaha.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay mpiambina ahiahiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT