FANOLANANA SY FAMONOANA VAVY ANTITRA

7 lahy nadoboka am-ponja ao Arivonimamo


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Lehilahy miisa 7 hatreto no fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Arivonimamo

taorian’ny fanolanana sy ny famonoana ilay Ramatoa lehibe 66 taona afak’omaly Alatsinainy 30 Septambra. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy niditra tao amin’ny tokantrano nisy ity Ramatoabe ity tao Ambohitsinindriana, kaominina Ambohitrambo, distrikan'Arivonimamo ny Alatsinainy 23 Septambra teo tokony ho tamin'ny 8 ora alina. Naolan'ireo jiolahy tamin’izany io Ramatoabe io no sady notsatohany tamin’ny antsy nahitana diany miisa 3 rehefa vita ny nataony. Ilay tovolahy 17 taona, mpiandry ombin'ny tompon-trano kosa nifatotra teo ambony fandriana tamin'ny fotoana nahatongavan'ny zandary nanao ny fanadihadiana. Na izany aza anefa dia mpamosavy malemy ity farany. Fantatra mantsy izy ihany no namoha ny trano sy nampiditra ireo jiolahy ireo tao an-trano ary mbola izy ihany koa no nanoratra ny taratasy fampitandremana sy fampihorohoroana izay hita tao an-trano ny ampitso marain’ny nahafatesan’ilay Ramatoabe. Jiolahy miisa enina avy any amin'ny kaominina Soavimbazaha no notondroiny fa nanao ny famonoana sy ilay fanolanana. Tsy naka vola na entana moa ireo jiolahy ireo fa karazany sotasota fotsiny ity tranga niseho namoizana aina iray ity.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy tsy mataho-tody mpanolana no sady mpamono olona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT