FANOLANANA

Hotsaraina rahampitso Da-willy


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Hotsaraina rahampitso Alakamisy 10 Jolay Andrianambinintsoa Johnny William na i Da-Willy,

izay nanolana sy nanao herisetra tamin' i Harena zazavavy kely vao 6 taona monja teny Imerintsiatosika, distrikan'Arivonimamo. Ankoatra ny fanolanana dia notsetseman' i Da- Willy fotaka ny sofin' i Harena raha tsiahivina ary noratrainy tamin'ny alalan'ny rangotra ihany koa ny tarehiny. Rovitra hatramin'ny fivoahan'ny maloton' i Harena kely moa noho ny fanolanana nataon'i 'Da-Willy azy aloha sy taoriana. Voasambotra ilay ranamana ity rehefa nokarohin'ny manam-pahefana ary nalefa eny Tsiafahy vonjimaika. I Da-willy araka izany no lehilahy ho vosorina voalohany eto Antananarivo raha tany Toamasina no efa nisy olona iray hafa namoahana didy. Andrasana araka izany ny fampiharana ny tena lalana velona mba hamaizana ireo mpanolana eto amintsika. Mbola misy hatrany mantsy hatreto ireo zazavavy kely lasibatra eto amintsika izay marihina fa namoy ny ainy mihitsy ny sasany. Nangonin'i
Pati
Légende : Da-willy sy ilay zaza naolany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT