Fandriampahalemana

Fanolanana fanafihana teny Ambohidroa Ny mpanampy an-trano sy ny mpamily no tompon’antoka


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Tena tsy tsara intsony amin’izao ny mametraka fitokisana aman’olona. Na ireo mpamily sy mpanampy an-trano heverina ho tena namana akaiky sy havana aza amin’izao efa mivadika ary tena mahavanon-doza mihitsy.

Tsy misy hafa amin’izay ilay tantara niseho teny Ambohidroa ny 19 febroary lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia jiolahy miisa efatra mitondra fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tamina tokontrano iray teny an-toerana tamin’io andro io tokony ho tamin'ny 02 ora maraina. Lasa sy voaroban’ireo mpanao ratsy nandritra izany ny finday miisa 10, firavaka volamena ary vola mitentina 200. 000 Ar. Ankoatr'izay dia vehivavy miisa efatra tao amin'io trano voatafika io ihany koa no naolan'ireo olon-dratsy ireo. Rehefa nahare ity tranga ity ny polisy dia nandray ny andraikiny avy hatrany ka nanomboka ny fikarohana ireo olon-dratsy. Voasambotra tamin'izany ny vehivavy iray izay tsy iza fa miasa ao amin'ireo voatafika ihany. Toraka izany koa ilay mpiambina ny tanàna ,ny mpamily izay niasa tao teo aloha niaraka tamin'ny namany anankiray. 37 taona,35 taona ary 28 taona moa ireto farany raha efa 40 taona kosa ilay Ramatoa. Tokony ho malina tsara ny rehetra manoloana ny tranga tahaka itony. Tsy misy tandroka mantsy ny ratsy .
Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy niray tsikombakomba tamin’ilay halatra sy fanolanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT