Fandriampahalemana

Fanoherana ny vono sy herisetra Hanao hetsika fanairana ny Paramed anio


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Paramed roa indray tamin’ny Zoma faran’ny volana oktobra teo no nataon’ny dahalo nitondra faisana tany amin’ny faritra.

Tao Maintirano ny iray izay fantatra fa voatafika rehefa handeha hamonjy ny fiasany ka very tamin’izany ny volany sy ny findainy. Mpiasan’ny CSB II ao Soalala kosa ny iray izay voatafika ihany koa 20 metatra teo akaikin’ny tsena ka naratra mafy. Mahatsiaro ny tenany ho tsy misy fiarovana intsony ireo mpampivelona sy infirmiera eto amintsika vokatr’izany. Manoloana io olana goavana sedrainy io dia hanatanteraka ilay antsoina hoe : journee des solidarites izy ireo anio Zoma ho fanairana ny Fitondram-panjakana. Nambaran-dRalibera Jerisoa, filohan’ny sendikan’ny Paramed eto Madagasikara fa mbola tsy fitokonana no hatao fa fanehoana firaisankina. Rehefa tena minia manam-pitson-tsofina kosa anefa ny Fitondram-panjakana ka tsy misy ny fepetra raisiny dia tsy maintsy hiroso amin’ny fitokonana faobe ihany izy ireo afaka 48 ora hoy hatrany ny fanazavana azo omaly. Nomarihin-dRalibera Jerisoa moa adidin’ny Fitondram-panjakana ny miahy ireny mpiasam-panjakana alefany mamita iraka any amin’ny faritra ireny indrindra fa ny resaka fahasalamam-bahoaka araka ny lalana andiany faha-6 laharana 2003-011.
Pati
Legende : Izy no Ralibera Jerisoa, filohan’ny sendikan’ny paramed eto Madagasikara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT