Fandriampahalemana

Fanoherana ny herisetra Nanao diabe ireo mpitondra moto ao Maintirano


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Mpitondra moto iray no namoy ny ainy, dimy hafa naratra mafy vokatry ny fanakanan-dalana nataon'ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Analakinapa Disitrikan’i Maintirano afak’omaly alarobia.

 

 

 Raha araka ny loharanom-baovao dia tsy vao sambany no nitrangana toe-javatra mampalahelo tahaka izao tany an-toerana fa saika isan’andro mihitsy. Ireo mpitondra moto ireto anefa no hany manampy sy manavotra ireo olona hamonjy ireo toerana fodiany tsy tongan’ny fiara na koa hivoaka ny tanana. Nisy ny hetsika izay notanterahin’izy ireo tamin’ny alalan’ny filanjana sora-baventy mitety tanana omaly ho fanairana ny tompon’andraikitra manomboka eny anivon’ny Fokontany ka hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hôpitaly moa ireo dimy hafa naratra mafy raha efa nalain’ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT