Fandriampahalemana

Fanivaivana mpitandro filaminana Naiditra am-ponja ilay mpiasam-panjakana mamo


  • Zoma 05 Jona 2020

Tsy hisafidianana tavan’olona na sarangan’olona ny fampiharana ny lalàna eto amin’ny tany sy fanjakana. Nisy lehibe-na sampandraharaham-panjakana iray miasa any Ihosy fa kosa mipetraka Ambila avaratra

 

 

 

 anatin’ny distrikan’i Manakara nentin’ny hamamoana ka nanivaiva ireo mpitandro filaminana manatanteraka sakana ara-pahasalamana amin’ny toerana roa alohan’ny hiditra an’i Manakara. Teo Ambokala sy Marofarihy no nitrangan’izany ny alin’ny 02 jona tamin’ny 8 ora sy sasany. Ompa sy fandrahonana no nataony raha nangatahana am-panajana izy hidina ny fiarany hojerena hafanana. Mbola nopotehiny tamin’ny fiara ihany koa ny fitaovana famantarana fanaovana sakana ara-pahasalamana an'ny faritra. Vao naheno ny tatitra ny lehiben’ny mpitandro filaminana tao an-toerana dia nidina ifotony ka nony tonga teo Marofarihy dia efa toetra-na jiolahim-boto no hita satria dia natsivalany tamin’ny sakan’ny arabe ny fiarany ary nandeha nitsoaka izy. Tany amin’ny trano fisotroan-toaka iray tsy dia lavitra teo no tratra izy ka dia nentina niaraka tamin'ny fiarany hiverina hamonjy ny tobin'ny zandarimaria mba hifehezana azy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny lehilahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT