Fandriampahalemana

Fanimbana fananana iombonana Roalahy tratra nangalatra ireo vy teny amin'ny rocade


  • Alakamisy 21 Aprily 2022

Amin'ny 08 ora sy sasany alina no nifanena tamin'ny Polisy teny Ambolokandrina izy roalahy mpangalatra ireo niaraka tamin'ny vy lava miisa 02.

Hafahafa fihetsika izy ireo araka izany raha vao nahita ireo Polisy ka noentina nanaovana fanadihadiana teny amin'ny kaomisaria. Tamin'izany no nahafantarana fa andrin-jiro hitoeran'ny takelaby manondro lalana eny amin'ny rocade ireo nongotan'izy ireo ireo ary saika hamidiny. Notazonina eo anivon'ny kaomisaria moa izy roalahy ireto noho ny fanimbana sy fangalarana fananana iombonana ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Marihina moa fa vokatry ny fisian’ireo mpividy vy etsy sy eroa no mahatonga ny halatra vy hirongatra eto amintsika ka mampanaotao foana ny sasany. 500 Ar ny iray kilao amin’izany miankina amin’ny kalitaon’ilay vy sy ny hatsarany.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT