Fandriampahalemana

Fangalarana zavatra anaty fiara Tovolahy 3 no tratra teny Antsobolo Ambatomaro


  • Zoma 20 Novambra 2020

Tovolahy telo, 15 sy 16 ary 23 taona no nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny

 

CSP3 ny 17 sy 18 novambra teo teny Antsobolo Ambatomaro. Namaky sy fangalarana zavatra tao anaty fiara izy ireo no tratra. Ny 13 novambra no nitrangan’izany.Fiara maromaro nijanona tao anaty garazy no lasibatra tamin’izany ka zavatra betsaka no very toy ny batery, auto radio, subwoofer ary baffle. Nametraka fitoriana teny amimn’ny CSP3 Antaninandro ny tompon’ireo zavatra very. Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy dia fantatra fa tovolahy telo no nanao izany halatra zavatra ao anaty fiara izany ka voasambotra ny 17 novambra lasa teo ny tovolahy iray. Ity farany indray avy eo no nanoro ny namany roa hafa izay nosamborina teny an-toerana hatrany ny ampitson’iny ihany. Miditra avy hatrany amin’ny toerana iray misy garazy moa izy ireo raha araka ny fanazavany. Tsapainy ny varavaran’ny fiara raha tsy mihidy ka eo no hanararaotany maka ny entana ao anatiny toy ny bateria, bafle, cle ary radio. Raha misy entana hafa toy ny boite-na vitesse 4L mipetraka dia alaina ihany koa ary rehefa azony dia entina eto an-drenivohitra ka ny boite-na 4l hamidy 30.000Ar, ny bateria 30.000Ar, ny subwoofer 15.000Ar. Efa nigadra noho ny resaka halatra zavatra anaty fiara toy izao ny roalahy amin’izy ireo . Enim-bolana tany am-ponja izy ary nivoaka ny volana febroary lasa teo. Natolotra ny Fampanoavana ny 19 novambra teo ihany koa izy 3 lahy.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT