Fandriampahalemana

Fanenjehana jiolahy Miala bala ny polisim-pirenena ?


  • Alakamisy 27 Jolay 2017

Nanao tatitra tamin’ny asa vitany ny polisim-pirenena omaly ka nampahafantatra fa olona 417 no naiditra am-ponja hatramin'ny volana jona no nankaty. Fitaovam-piadiana toa ny grenady, basy kalachnikov sy PA no azo tao anatin'izany.

 Nanamarika koa anefa iroe tompon’andraikitra avy ao amin’ny polisim-pirenena fa antony mahatonga ny fahataran’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana any amin’ny toerana itrangana asan-jiolahy ny fahatara’ny fampandrenesana avy amin’ny mponina manodidina.Mahomby kokoa ny fiaraha-miasa raha mahafantatra ny laharana an-telefaonina amin’ny mpitandro filaminana manakaiky azy indrindra ireo olom-pirenena iharan’ny herisetra na fanafihana, hoy ny fanazavana omaly.Zava-dehibe arak’izany ny fahaizan’ny tsirairay ny laharana an-telefaonina tokony antsoina, hoy ny fanazavana fa tsy hoe eny Itaosy ohatra no misy fanafihana dia ny Commissariat Central Tsaralalana no antsoina, fa efa misy polisy azo antsoina tsara eny Itaosy tampon-tanàna.Mitombina ny fanazavana kanefa na izany aza, tsikaritra ihany fa matetika mivangongo amina toerana tsy dia atahorana ireo mpitandro filaminana , manakana sy misava fiara kanefa any amin’ny faritra mena sy toerana mafana tsy ahitana polisy mifamezivezy.Matetika koa mikorapaka ny olona rehefa ao anatin’ny fahatairana sy ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana amin’ny alina koa mahagaga ihany ilay fanilihan’andraikitra ataon’ny polisim-pirenena.Fa tsy misy vahaolana hafa mihitsy ve izany fa dia tsy maintsy izay no izy kanefa samy hafa mihitsy ny hoe sivily sy mpitandro filaminana izany ary tsy mitovy ny toe-po sy ny toe-tsaina rehefa sendra ny tampoka.

 

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT