Fanendahana, vaky trano,…

Tratra i Banga sy ny tariny


  • Talata 20 Aogositra 2024

Andian-jiolahy miisa 7 tarihin'i Banga izay jiolahy efa tena rain-dahiny eto amintsika no voasambotry

ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely tao anatin'ny herinandro nanaovan’izy ireo ilay hetsika mahery vaika nantsoiny hoe : hetsika fahalemana. Efa fantatra sady malaza mpanao asa ratsy mampihorohoro ny manodidina ireto bandy ireto. Tsy ao Ambohimangakely ihany fa tonga hatreto an-drenivohitra mihitsy. Voalazan'izy ireo fa indroa isan-kerinandro izy ireo no tsy maintsy manao opération farafahakeliny ary tsy maintsy mahazo na dia finday iray hendahina aza. Anisan’ny asa efa fanaony ny vaky trano anatin'ny Kaominina Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy. Ny fanafihana mitam-piadiana, ny halatra fitaovana ana fiara toy autoradio, ny batterie, ny jiro, ny pneus, sns... Toraka izany koa ny fanendahana eo amin'ny toerana antsoina hoe : Doany Fokontany Ambohibe, kaominina ambanivohitr’ Ankadikely Ilafy . Ny fanendahana eo amin'ny sampanana mankany Mahatsara Betsizaraina sy Alatsinainy Betsizaraina…..Ankoatra azy ireo dia niampy telolahy izy ireo no voasambotra izay mpandray, mpividy sy mpivarotra ny entana halatra azony. Efa nisy in-telo nigadra tany am-ponja koa izy ireo.
Pati
Legende : Ireto ry Banga sy ny ekipany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT