FANENDAHANA TETSY AMIN’NY 67 HA

Olona 4 tratra rehefa avy nisakoroka mpitondra moto


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Lehilahy miisa 03 sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisin’ny

UIR Tsaralalana ny 27 Febroary teo tokony ho tamin'ny 02 ora sy 24 minitra maraina tetsy 67 ha rehefa nanendaka. Polisy avy nanao fisafoana nivoaka avy any anaty elakelan-trano no nahatratra ireto mpanendaka efatra mianadahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto, hamonjy fodiana no nosakanan'izy ireo tao ambadikin'ny tombin-dasantsy Jovenna 67ha. Nohididinin’izy ireo,nataony afovoany, misy ny nanakana teo aloha, nisy ny nibahana avy ao aoriana, ny ambiny kosa naka ny firavaka teny aminy ka lasan'izy ireo nandritra izany ny firavaka volafotsy teny amin'ny tendany sy ny tanany . Rehefa azon'ireto olon-dratsy ireto ny zavatra nilainy dia vaky nandositra izy ireo ary tamin’izay fotoana izay no nifanehitra tamin’ireo Polisy nivoaka avy nanao fisafoana izy ireo ka noraisim - potsiny. Mbola hita teny amin 'izy ireo firavaka vao avy norobainy. Nosamborina ary noentina eny amin'ny biraon’ny Polisy izy 4 mianadahy .
Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT