Fandriampahalemana

Fanendahana teny Ivandry Nodimandry ilay tovovavy voatsatok’antsy


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Nodimandry ny talata 5 desambra teo i Fy Safidinandrianina na Fiderana mpianatry ny anjerimanontolon’Antananarivo naratra mafy nandritra ny fanendahana sy tsindron’antsy nahazo azy teny Ivandry ny zoma 1 desambra teo.

Raha tsiahivina, avy nianatra nirava tamin’ny 6 ora hariva izy ary handeha hody eny Ivandry no sendra mpanendaka tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Avy ny orana, kanefa somary mangingina ny lalana mody any amin’ny tranony. Raha ny fitantarana dia nifanena tamin’ny lehilahy iray izy, araka ny nambarany, fony izy mbola tao amin’ny fameloman’aina. Nikasa hanendaka azy, saingy nanohitra izy satria tamin’ny fahavelony dia nanao haiady “Judo”... Lavo tokoa ity jiolahy dia nitsoaka izy. Tezitra ilay jiolahy dia nanenjika. Ny lalana anefa avy orana sady malama, dia nianjera ity tovovavy. Teo no nahatraran’ilay jiolahy azy ka notsindroniny antsy. Finday iray no voalaza fa lasan’ilay olon-dratsy. Niezaka niady ihany i Fiderana teny amin’ny hopitaly fa tsy tana ny ainy. Zary lasa horohoro ho an’ny mponina sy ny mpandalo tratra hariva eny Ivandry sy iny Ankorondrano iny ilay tranga. Ny andro zoma io ihany, saingy ora roa na telo taoriana dia tovolahy iray ihany koa no nobedaina tovolahy miisa 7 teo akaikin’ny orinasa Henri Fraise. Ny iray no tena nitazona azy sady niteny hoe : « avoahy daholo izay any amin’ialahy, raha tsy te ho faty ! ». Voakifika ilay nitazona ka tafatsoaka ilay remby. Rehefa tonga teo amin’ny sampanan’i Masay « Route des hydrocarbures » dia nisy fiara tsy mataho-dalana iray nijanona, ka olona telo no tao anatiny. Nanatona azy ireo ity tovolahy ity nila vonjy. Nambaran’ireto farany fa « ialahy mihitsy ny iray tamin’ilay nanendaka sy namono anay teo ». Marihina fa naratra be ny iray tamin’ireo tovolahy 3 ireo. Mety ho ireo saika hanendaka azy ihany izany no nanendaka azy telo. Rehefa nandeha ny fifanazavana, dia naterin’izy 3 lahy izy, araka ny fanazavany. Efa tena toerana tsy milamina sy hanjakan’ny asa fanendahana miharo vono olona eny an-toerana, ka ilaina ny fandraisana fepetra henjana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT