Fandriampahalemana

Fanendahana teny 67Ha 1 voasambotra, 2 tafaporitsaka


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Nalaza tato ho ato ny resaka fanendahana sy ny fanafihana anaty taksibe. Voasambotry ny polisy avy ao amin'ny boriborintany faha-7 etsy 67 Ha ny zoma 18 aogositra 2017

 tokony tamin'ny 10 ora alina teny amin'ny Vatobe 67Ha ny tovolahy iray vao 20 taona antsoina hoe Jimmy anisan’ny mpanendaka eny an-toerana, rehefa avy nanendaka tovovavy iray. 3 lahy izy ireo no nanao ny asa ratsy, ka mody alatsak'izy ireo afovoany ilay olona avy eo hendahany. Nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa vita ny asa ratsiny, ka dia niantso vonjy ilay tovovavy. Nisy polisy nanao fisafoana tamin'ilay toerana ka dia raikitra ny fisamborana. Tafaporitsaka ny roa fa tratra kosa i Jimmy. Lasan'ireo namany anefa ny sakaosin'ilay vehivavy izay nisy finday iray sy vola 50.000Ar ary antontan-taratasy maromaro. Rehefa nosavaina i Jimmy dia nahitana antsy tany aminy. Malaza mihitsy moa ry zalahy ireo amin'ny asa fanendahana eny amin'iny faritra 67 Ha iny. Manahirana ny fandriampahalemana eny an-toerana sy saika manerana ny renivohitra na andro alina na mazava noho ny afitsoky ny jiolahy sy ny mpanendaka, ary ny mpangarom-paosy. Fotoana fialantsasatra amin’izao fotoana, ka ho an’ireo vahiny tsy dia mahalala loatra, dia ny mailo ihany no fanafodiny.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT