3 lahy vao avy nigadra anisan’ny voasambotra indray
Nanao hetsika manokana tamin’ny fanamiana sivily teny Behoririka, Soarano ary Tsaralalàna ny Polisy avy ao amin’ny UIR Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, ny marainan’ny Alakamisy 01 Oktobra teo ka lehilahy miisa telo (03) mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, izay voalaza fa efa nigadra ary vao nivoaka ny fonja avokoa no voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Anisan’ny nahatrarana ny sasany tamin’izy ireo ny teny Anosibe Andrefana. Nahazo antso ny Polisimpirenena fa misy lehilahy mpifoka rongony mamono vady ary manakorontana ny fiaraha-monina raha ny fitarainana. Ny 01 Oktobra 2026 no nosamborina teny Anosibe ity lehilahy ity ary mbola nahatrarana fonosan-drongony teny aminy. Teny amin’ny lalamby Colas indray dia mpangarom-paosy miaraka maromaro no nanao ny asa ratsiny teny an-toerana ny 03 Oktobra teo. Lasibatra tamin’izany ireo mpianatra sy vehivavy mandalo. Voasambotra ny roa tamin’izy ireo, raha nisy kosa tafaporitsaka ary efa karohina. Hatolotra ny fampanoavana avokoa moa izy ireo rehefa vita ny famotorana savaranonando.
Nangonin’i Pati
Legende : Vao mainka mampitombo ny isan’ireo mpanao ratsy eto amintsika ireo mivoaka efa nahavita ny saziny toa azy ireto !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.