Fandriampahalemana

Fanendahana nanakaiky ny Hotely Manga 67 ha Vao 16 taona monja ny iray tamin’ireo jiolahy


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Tovolahy miisa 03 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny manodidina ny hotely Manga 67 ha, ny alakamisy 28 oktobra teo.

 Raha araka ny fantatra di nanendka sy nanao herisetra izy ireo. Lehilahy 02 no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP7 tamin’io alakamisy io noho ny voina izay nahazo azy ireo ny alin’ny alarobia faha 27 oktobra teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Araka ny voalazan’ireto mpitory dia niandry faty teny amin’ny manodidina ny Hotely manga izy roa lahy ireo tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia nivoaka hividy sigara izy roa lahy. Tamin’izany anefa no nisy andian’olona nanaraka izy ireo ary raha tonga tamina toerana mangingina dia nendahin’ireto andian’olona,sady nodarohan’ireto farany ka naratra mafy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 80.000 ariary sy ny finday. Taorian’izay moa dia lasa nandositra ireo olon-dratsy. Manoloana izany dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka tovolahy miisa 03 no voasambotra. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mbola vao 16 taona monja ny 01 tamin’ireto tovolahy ireto. Niaiky fa nidaroka sy nandratra mafy azy 02 lahy moa ireto tovolahy voasambotra ireto. Nandà ho tsy nanendaka azy ireo kosa anefa izy telo lahy. Raha ny filazany dia resaka lonilony sy hamamoana no fototra nampisy ny ady sy fifampikasihan-tanana teo amin’ny roa tonta. Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT