Fanendahana, halatra moto, vaky trano

Any am-ponja ry Fanday, Balaonina, Babaina ary Main


  • Talata 04 Jona 2024

Efa-dahy be izao no indray saron'ny zandary avy amin'ny PA Soamanandrariny,

borigadin’Ambohimangakely tamin’ny 18 May alina lasa teo izay samy havanana amin’ny asa ratsy toy ny fanendahana, famakiana trano ary ny halatra moto. Efa manana anarana manokana mihitsy izy ireo toy ny hoe : Fanday, Balaonina, Babaina ary Main, eo anelanelan’ny 19 ka hatramin’ny 25 taona. Raha tsiahivina kely dia toerana maro no efa nanaovan’izy ireo vaky trano sy asa fanendahana toy ny tao Ikianja, Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Mahazo, Soamanandrariny, Ankadindramamy, Nanisana, Ampasapito, Amboditsiry, Ankandrina ary Ambaromaro. Fomba nahasamborana azy ireo kosa ny fifanenany tamin’ny mpitandro ny filaminana avy ao Soamanandrariny ny alin'ny 18 hifoha 19 May lasa teo. Efa notanana am-ponja vonjimaika moa izy efa-dahy ireto taorian’ny famotorana natao azy. Na izany aza dia nanamafy ny mpitandro ny filaminana fa mbola azon’ireo olona lasibatr’izy efa-dahy ireto hatao tsara ny mametraka fitoriana momba azy ireo hahafahana manafay azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ry Fanday, Balaonina, Babaina ary i Main !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT