Fandriampahalemana

Fanendahana eny 67 Ha Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Mpanendaka miisa telo miaraka amin'ny sabatra lava lela no nanendaka lehilahy saika hanatitra olona tetsy 67 ha omaly. Rehefa azon'ireto olon-dratsy ny vola sy ny entana teny amin'ilay lehilahy dia nanendaka vehivavy andeha hivavaka indray izy ireo ka lasa ihany koa ny vola sy ny baiboly.

 

 

   Efa nisy Polisy nanao fanamiana sivily anefa teny an-toerana ka nanenjika azy ireo vantany vao nahita ny zava-niseho  . Saika hampiasa ireo fitaovana teny aminy moa ireto olon-dratsy ka voatery nitifitra ny polisy ka voan'ny bala teo amin'ny takibany ny mpanendaka iray. Noho ny ratra nahazo ity mpanendaka ity dia tsy tana intsony ny ainy. Ireo mpanendaka roa hafa kosa dia tafaporitsaka ary mbola mitady azy ireo ny Polisy amin'izao fotoana izao. Voasokajy ao anatin’ireo faritra mena amin’ny sintomahery sy ny fanendahana moa ny eny amin’ny 67 Ha, ka na eo aza ny hetsika ataon’ny polisim-pirenena dia tokony ho mailo sy hitandrina hatrany ny tsirairay mandalo na mitoetra eny.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT