FANENDAHANA ANKATOKY NY FETY

Naverina eny Antanimora indray i Rinah sy ny namany


  • Talata 17 Desambra 2024

Mirongatra ny asa fanendahana amin'ny alina amin'izao ankatoky ny fankalazana ny

fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao. Toraka izany ny sinto-mahery anaty taxibe toy ny mitranga eny amin'ny parking 67 ha avaratra atsinanana, ny manoloana ny fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano sy ny Espace Vatomanga Antohomadinika. Ao anatin'ny fitohanana no tena hanaovan'ireo jiolahy izany amin'ny andro atoandro noho ny fitohanana tsy hita nonoa eto an-drenivohitra. Vao tamin'ny Alahady 15 Desambra marina teo ohatra dia ravan'ny Polisy ny PPA4 teo ampanaovana ny asa ratsiny RINAH sy RABIBY izay anisan'ny mpikambana ao amin'ny bande des Dix, mpandrava sy mpanendaka mampiasa sabatra sy antsy maranitra. Marihina etoana fa ity RINAH ity dia tsy maintsy migadra foana isan-taona noho ity fanendahana ity ary mivoaka sy miditra eny Antanimora. Izy no anisan'ny chef des bandes. Tamin'io datin'ny 15 Desambra io tamin'ny 01 ora sy sasany maraina izy roalahy no tratra raha tafatsoaka kosa ireo namany hafa izay mbola karohina fatratra. Omaly Alatsinainy 16 Desambra izy ireo no niakatra fampanoavana ka nalefa naka saina eny Antanimora. Vao tamin'ny herinandro lasa teo moa raha tsiahivina no nahatrarana an'i DJAR, RATAY, RAMEME sy OLIVIER mpanao vola sandoka.
Pâti
Légende : Efa kilalaon'i Rinah sy Rabiby ny eny Antanimora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT