Fandriampahalemana

Fanendahana anaty taxibe Nanjavona ny finday lafo vidy, saika lasa adala ilay ramatoa


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Ramatoa iray manodidina ny 50 taona teo ho eo no fantatra fa narahin’ny mpanendaka tao anaty taxibe 143 ny sabotsy teo ka saika lasa adala.

Hitan’ireo mpanendaka nikirakira io finday io teny an-dalana izy raha araka ny fitantarany. Efa nametraka paikady ireo mpanendaka nandritra izany ka narahiny soaman-tsara ity Ramatoa ity. Mbola nitohy nilalao ilay finday ihany anefa ity farany nandritra izany ka tao anaty taxibe no nanaovan’ireo tsy mataho-tody ilay opération. Niodina vetivety monja ilay Ramatoa dia nanjavona ilay finday teny am-pelatanany raha araka ny fitantarany. Vao novidiany 800.000 Ar anefa izany finday izany no sady misy ny sarin’ireo vady aman-janany. Toy ny nanonofy izy nandritra izany tranga izany. Raha tokony teny amin’ny 67 ha araka izany izy no niala ilay dia tonga hatrany Anosibe ary nitabataba tsy nijanona no sady nilalao tanana. Ilay mpamily sy ny mpanampy azy sisa no hany mba nampahery ity Ramatoa ity no sady nananatra ny hafa ihany koa mba tsy hilalao finday eny an-dalana na koa any anaty fiara intsony. Nomarihin’ilay mpamily moa fa marobe ireo mpanendaka miditra any anaty taxibe amin’izao ka mahavita manendaka sy manambana antsy mihitsy. Efa mahalala azy ireny tsara anefa ireo mpamily saingy noho ny tahony ny ainy dia tsy sahy miteny izy ireny. Anjaran’ny mpandeha araka izany no mitandrina ny fananany sy ny ainy. Pati Legende : Efa tonga any anaty taxibe amin’izao ny mpanendaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT