FANENDAHANA ANATY TAKSIBE

2 lahy nampitaraina olona maro voasambotra


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Mirongatra hatrany ny fanendahana anaty taxibe amin’izao eto an-drenivohitra.

Manao andiany mihitsy ireo jiolahy ka miisa roa raha kely indrindra izy ireo no indray manao izany. Saron'ny Polisin’ny Boriboritany faharoa teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo roalahy havanana amin’izany ny faran’ny herinandro teo teny Ambolonkandrina. Polisy nanao fidinana an-kianja no nahatsikaritra azy ireo efa nandrahona sy nanendaka olon-tsotra teny an-toerana ka nisambotra azy ireo avy hatrany.Marihina fa ny iray amin'ireto olon-dratsy ireto dia efa nahazoana fitarainana maro indrindra tetoao amin'ny tambazotra sosialy "facebook" momba ny resaka fanendahana anaty fiara fitateram-bahoaka. Mitondra fitaovana toy ny antsy maranitra mihitsy izy mandritra izany mba hampitahorana ilay mpandeha ka tsy vitsy ireo efa lasibatra.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT