Fandriampahalemana

Fandrobana trano fivarotana enta-madinika


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Tratra niaraka tamin’ny basy sy sabatra lavalela ireo jiolahy

Tsy eto Antananarivo ihany fa saika manerana ny faritra mihitsy no mirongatra ny asan-jiolahy. Tsy tanam-polo toy ny teo aloha intsony izy ireo fa efa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy ny sabatra lavalela mihitsy. Vao afak’omaly 06 jona tokony ho tamin’ny 08 ora alina ohatra dia nisehoana fanafihana mahery vaika tao amin’ny Fokontany Antanimalandy , sektera fahafito,eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitra Belobaka sy Amparihigidro , Faritra Boeny. Lehilahy miisa telo nitondra basy vita gasy sy sabatra lava lela maranitra no nanatanteraka izany ka trano fivarotana enta-madinika iray no nokasain’izy ireo nidirana sy norobaina. Tsikaritry ny tompon-trano anefa izany ka niantso vonjy ilay tompon-trano. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo Polisy misahana iny faritra iny nijery ny zava-misy ka vantany vao nahita ireto farany ny jiolahy dia nitsoaka ka tsy nahatondra intsony ireo fitaovam-piadiana nentiny ireo. Nanampy ihany koa ireo mpiara-monina nivoaka ny trano saingy tsy tratra intsony ireo mpanafika. Tsy nisy ny entana lasa sy voaroba vokatr’izany. Latsaka tamin'izany ihany koa moa ny basy vita gasy nampiasain’ireo mpanao ratsy niaraka tamin’ny kaskety .
Pati
Legende : Ireo fitaovana nampiasain’ireo mpangalatra tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT