FANDROBANA TENY ALASORA

« Tsy mponina eny an-toerana no nanao azy ! »


  • Zoma 03 Oktobra 2025

Lasa miteraka tebiteby sy fikorontanan-tsaina

ho an'ireo mponin'Alasora ny fisian'ilay fandrobana ny Proxi-market teny an-toerana andro vitsy lasa izay. Zavatra tsy mbola nitranga tao amin'ity kaominina ity mihitsy mantsy izany raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Nambarany araka izany fa tsy mponina ao an-toerana velively no nanao ireny fandrobana ireny izay nanabakana mihitsy no tena tetikadiny. Natsangana tsy misy hatak'andro manerana ny kaominina noho izany ny andrimasom-pokonolona, rafitra izay efa nisy hatramin'izay fa tsy vaovao akory. Miasa tsy miato mandritra ny alina izy ireo izay fantatra fa marobe tokoa ireo vatan-dehilahy mbola te hanatevin-daharana. Miantso ireo malala-tanana araka izany ity Ben'ny tanana ity mba hifanome tanana aminy hahafahana mamatsy fitaovana ireo andrimasom-pokonolona ireo. Afaka mifampiresaka amin'ireo sefom-pokontany avy hatrany ireo vonona hifanome tanana hoy izy. Notsiahiviny manokana moa fa ny tsirairay dia afaka maneho hevitra amin-kalalahana manoloana ny zava-misy ankehitriny. Ho azy kosa dia ny fiarovana ny tanana aloha no tena laharam-pahamehana ho azy amin'ny maha-ben'ny tanana ny tenany.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny Kaominina Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT