Fandriampahalemana

Fandrobana tany Faratsiho Mpivarotra 7 nasesin’ny jiolahy


  • Talata 19 Septambra 2017

Ankoatra ny pesta nampalaza an’i Faratsiho teo, sesilany koa ny tsy fandriampahalemana any an-toerana tato ato.

 

 Raim-pianakavina iray np fantatra fa nahazoan’ireo jiolahy vola 7 hetsy ariary ;  nikasa hanohitra azy ireo ity lehilahy ity ka niharan’ny habibiana avy hatrany: nofirainy tamin’ny famaky ny lohany no sady notapahiny ihany koa ny tanany ilany tamin’io fanafihana ny alin’ny alahady io. Nampivarahontsana ny mponina tany an-toerana ny fanafihana ny alin’ny alahady  teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina tao amin’ny tanànan’Antsampanimahazokely, fokontany Ambohitrarivo, kaominina ambanivohitra Vinaninony Atsimo. Fivarotana niisa 7 mantsy no notetezin’izy ireo mpanafika tamin’io ka ho an’ireo trano tsy nisy olona dia noraofiny avokoa izay entam-barotra azony nentina toy ny ranom-boankazo, bisikoitra sy ireo sakafo maro hafa niampy ny sigara. Tsy nisy namelan’izy ireo avokoa izay trano voapitsoka sy novakian’izy tamin’izany ka tamin’ny famaky no hamakian’ireo joilahy izany, ka na dia antsy iray, toy ny tao aminà toeram-pivarotan-kena aza dia nentin’izy ireo ihany koa. Ho an’ireo tokantrano nisy olona kosa dia fandrahonana amin’ny basy sy zava-maranitra maro no nasesin’ireo jiolahy manodidina ny 20 nanafika ity tananan’Antsampanimahazokely ity. Tsy misy alaharo alaharo fa fitakiana vola sy fandraofana ireo entana lafo sy finday no asetrin’izy ireo izay olona tratrany. Rahonany entina hatao takalon’aina na hovonoina ihany koa ny ankizy ao an-trano raha vao tsy manome izay tadiaviny ny tompon-trano, hany ka dia manaiky sy nanome fahafaham-po ireo jiolahy avokoa izay tokantrano lasibatra.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT