FANDROBANA CASH POINT TENY ANDROKA ALASORA

Tsy natoron’ilay jiolahy mihitsy ny toerana nisy ilay vola 8 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Tena misy mafy vava ireny jiolahy mpangalatra ireny na dia efa miaiky ny heloka vitany aza.

Jiolahy miisa 2 no fantatra fa tratra nandroba cash point teny Androka Alasora ny datin’ny 05 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Lasan’izy ireo tamin’izany ny lela-vola 8 tapitrisa Ar. Vokatry ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona no nahatrarana azy ireo ka ny iray no tratra voalohany. Ity farany indray avy eo no nanoro ilay namany iray sy trano misy azy.Tsy nanoro hatramin'ny farany ny toerana nampirimany ireo vola kosa izy roalahy ireo mandra-pitondrana azy ireo niseho teo anatrehan'ny Fitsarana. Na izany aza dia fantatra fa efa nalefa eny amin'ny Fonjan'Antanimora izy ireo miandry ny fotoam-pitsarana.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT