Fandriampahalemana

Fandriana Nahitana taolam-paty 54 isa tao anaty kirihitr’ala


  • Talata 18 Jolay 2023

Taolam-paty miisa 54 no hita teo anelanelan'ny Fokontany Ankilahila sy Ampatora, Distrikan'i Fandriana, kaominina Ambonivohitra Fandriana omaly alatsinainy 17 Jolay.

Miisa 54 ireo hoy ny vaovao ahitana taolan-dava 15 isa, taolan-dranjo 23 ary taolan-tsandry 16.Nidina ifotony nanao fanadihadiana ny zava-misy ny mpitandro filaminana taorin'ny fahazoana vaovao avy tamin'ny olona tsara sitra-po izay nahitana azy ireo niparitaka toy ny nariana sy natsipitsipy teny rehetra teny. Nanamarina izany kosa ny mpitsabo. Tsy mbola fantatra moa hatreto ny olona nahavanona izao asa ratsy izao. Nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon'ny Kaominina Fandriana, sy ireo fokonolona notarihin'ny Sefo Fokontany ao Ampatora nandevina ireo taolam-balo ireo izay tsy mbola fantatra ny fiaviany. Tsy nisy rahateo ny vaovao mikasika ny mety ho nisian’ny vaky fasana tany an-toerana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fitsimponana ireo taolan-dava ireo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT