Fandriampahalemana

Fandriana Nahitana fatin-dehilahy mihosin-dra


  • Talata 02 Jona 2020

Nahitana fatin-dehilahy mihosin-dra vao maraim-be tao amin’ny tsena Ambatonandriana Fandriana ny afak’omaly alahadin’ny pentekosta 31 mey. Teo akaikin'ny tranobe no nahitana izany.

 

 

 

Tonga teny an-toerana avy hatrany ny Ben'ny Tanànan'i Fandriana, ny mpitandro ny filaminana ary ny dokotera mpitsabo. Araka ny fijerena nataon’ity farany dia vokatry fahaverezan-dra be loatra nateraky ny tsatoka zava-maranitra teo amin'ny vatan’ilay tovolahy no nitarika ny fahafatesany izay mponina eo amin'ny Fokontany Ambohidralamanga. Tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana dia nisy ihany koa ny fahavakisana toeram-pivarotana miisa 2 ny alin'io ihany Sabotsy io ihany. Misokatra araka izany ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana manoloana izao toe-javatra. Efa nalain’ny fianakaviany kosa ny razana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT