Fandriampahalemana

Fandriampahalemana Manomboka voafehy ny ao Vakinankaratra


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Nahitana fahombiazana ny asan’ny zandary raha ny 3 volana farany tamin’ny taom-piasana 2017 no tombanana, araka ny tatitra nentin’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Vakinankaratra, ny Kolonely Rasamboson.

 Nihena mantsy ny fanakanan-dalana ho an’ny RN 34, ao amin’ny kaompanian’i Mandoto, toy izany ihany koa ny halatra omby satria raha 56 ny tranga ny taona 2016 dia 34 monja izany ny taona 2017 nivalona iny. Nomarihiny kosa anefa fa ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona dia nitombo ho an’ny faritra Vakinankaratra. Amin’ity taona 2018 ity moa dia hamafisina ny toromariky ny fibaikoana ny zandary ka hohamafisina ny fifandraisana matotra amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana zandary eny anivon’ny fiarahamonina. Eo ihany koa ny fisorohana mialoha ny tsy fandriampahalemana amin’ny fanelezana ireo laharana hiantsoana ny zandary mba hampandrenesana azy ireo mialoha raha misy tranga. Fa nasian’ity tompon’andraikitra ity resaka ny momba ireo rafitra toy ny “Zazamainty” sy ny “Zazamena” ary ny “Jamà”, izay nambarany fa efa nankatoavin’ny prefektiora fa hampidirina ao anaty rafi-panjakana sy ny dina izy ireo raha hita fa ilaina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana satria misy ihany ny fihoaram-pefy ataon’izy ireo ka efa nisy 8 tamin’izy ireo no naiditra am-ponja noho izay tsy fanarahan-dalàna izay.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT