Fandriampahalemana

Fandriampahalemana manerana ny nosy Tena tsy milamina intsony hoy ny olom-pirenena


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Tena vao mainka mirongatra sy mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Miseho amin’ny endrika maro izany fa ny tena zava-doza dia hamoizana aina mihitsy izany matetika ary tsy hanavahana ora sy fotoana intsony.

Tsy ho antsika eto an-drenivohitra ihany no hisian’izany fa saika manerana ny faritra mihitsy ka anisan’izany ny ao Mahajanga.Mba hisian’ny filaminana sy ny fitoniana ary indrindra ny fandriampahalemana any an-toerana ary dia nisy ny hetsika manokana nataon’ny tanora mivondrona ao amin’ny ADDHM (association de défenseur des droits humains Mahajanga) , tanora studio sifaka, OBS-mada, Observatoire des droits humains ‚ omaly Alarobia 21 Septambra. Nisy ny fakana ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fahitana ny fandriampahalemana ao Mahajanga nandritra izany ‚ ny fizarana taratasy mirakitra ny zon’olombelona sy fampahafantarana ny momba izany ary fanadiovana ny manodidina ny toeram-pitsangatsanganana ao amin’ny “ Bord Mahajanga ” . Raha fehezina ny hevitry ny olom-pirenena any an-toerana mikasika ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara dia nambaran’izy ireo fa tena tsy mitovy amin’ny teo aloha intsony. Na ny zaza varira aza mantsy hoy izy ireo misy mangalatra ankoatra ny fakana an-keriny sy ny vaky fasana. Na izany aza dia fantatra fa mbola milamina ny ao Mahajanga raha oharina ny any amin’ny faritra hafa. Nomarihina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana nataon’ny fikambanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT