FANDRIAMPAHALEMANA EO ANALAKELY

Namory ny mpivarotra sy koperativa ny lehiben’ny kaomisaria


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Namory ireo sefom-pokontany miisa 7 ao anatin'ny Boriboritanin'Analakely,

ny solon-tenan'ireo mpivarotra, ny filohan’ireo koperativan’ny taxibe mihantsona eny Analakely sy ny manodidina ny lehiben'ny kaomisaria avy ao amin'ny boriborintany voalohany, ny kaomisera Randriamparany Ted Steven sy ireo mpiara-miasa aminy ny faran’ny herinandro teo. Tao amin 'ny tranom-pokonolona Analakely no nanatanterahany izany. Niompana tamina lohahevitra maromaro ny resaka. Lohalaharana tamin’ireny ny ady amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Tena nohamafisina mafy dia mafy izany noho ny tarigetran'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny amin’ny tsy maintsy hanafoana izany kolikoly izany. Nohararaotina ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lehilahy sy maha-vehivavy. Farany dia nisy ny fihainoana ny hetahetan'ny vahoaka izay tonga nivory toy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eny amin’iny faritra Analakely iny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolanana mahazo ireo ankizy madinika mpatory an-tsena…. Nomen-danja ihany koa ny fifanakalozan-kevitra nandritra izany izay nahafantaran’ireo tompon’andraikitra zavatra maro.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT