Fandriampahalemana

Fandosiran’ny gadra tao Antanimora Tara indray ny fampandrenesana ny zandary


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Kisendrasendra teny an-dalam-be no nahazoan’ny zandary vaovao fa nisy gadra nitsoaka tao amin'ny fonjan'Antanimora ny alin'ny 10 hifoha 11 febroary 2018, ka nanamarinana izany teny an-toerana. Nandefa iraka mba ahafahana mandray ny fepetra izy na dia efa somary tara ihany aza izany, hoy ny fanambarana omaly.

Omaly 11 febroary 2018 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, rehefa nanantona ny tompon'andraikitra tao amin'io fonja io ny lefitry ny komandin'ny borigady Betongolo, dia nilaza izy fa nisy tokoa ireo gadra nandositra, saingy tsy mbola afaka nanome ny mombamomba ireo gadra izy ireo satria mbola mivory momba izany, fa homena ihany ny mpitandro ny filaminana rehefa vita. Tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro, dia naterin'ny iraka avy any amin'ny fonja teny amin'ny zandarimaria ny mombamomba ireo gadra. Raha ny tokony ho izy dia vao mahafantatra ny fandosirana ny tompon'andraikitra eny amin'ny fonja dia efa milaza haingana amin'ireo tobin'ny Hery rehetra akaiky azy ny zava-mitranga sy ny mombamomba ny gadra nandositra mba ahafahana eo noho eo ihany manao ny fanenjehana sy fanakanana, hoy ny zandary. Manaraka ho azy aoriana ny fanaovana ny “avis de recherche”, izay "formalités" na fombamba an-taratasy fotsiny. Tamin’ny fandosiran’ny gadra 5 ny alin’ny 7 oktobra 2017, dia efa ny takarivan’ny ampitson’iny vao fantatry ny zandary izany. Nanome tsiny mpiandry fonja izy ireo noho izay fomba fiasa sy ankinafinafina izay, saingy miverina indray izany. Misy isaky ny alina ny fisafoana ataon'ireo mpitandro ny filaminana ankoatra ireo "piquet" izay fiandry afaka manampy raha ilaina indrindra moa amin'ny trangana "évasion" toa izao, hoy ny zandary.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT