Efa fantatra ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana nahafatesana olona 9 tany Ankidaondrano,
Ambohiborona distrika Faratsiho ny zoma 18 desambra farany teo. Raha ny filazan' ireo fianakavina dia nandrasana tamin' ny basy teo ivelany ary nodorana ny trano ka may tao avokoa izy 8 mianaka, ny iray hafa andeha hivoaka no voatifitra ka maty. Na dia efa tonga saika hamonjy aza ny fokonolona tsy afaka nanantona fa hanapoahan' ireo jiolahy basy. Tovolahikely iray sendra tsy tao an-trano no tsy namoy ny ainy tao amin’ny ankohonana iray.
EFA FANTATRA NY TAO AMBADIKA
Nilaza ny solombavambahaoakan’i Faratsiho sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Rasolonjatovo Honoré omaly, fa efa fantatra ny tao ambadika. Olona efa nanafika an’ity fianankaviana ity ihany, saingy tratra ka izao mamaly faty izao. Misy amin’izy ireo no efa voaheloka higadra mihitsy, saingy tafavoaka sy nanao io fanafihana io raha ny nambarany. “Ny nahagaga dia ireo nahazo sazy 5 taona nihatra dia tonga nanafika tao ihany koa, raha ny fitantaran’ny fianankaviana, ary teo amin’ny 10 teo izy ireo. Ny zavatra mampalahelo dia ny hoe ahoana no nahafahan’ireo niala tany an-tranomaizina, ary tsy vitan’izany fa mirehareha ireo jiolahy fa manana olona ambony miaraka aminy. Manana fitaovam-piadiana mahery vaika satria balana kalachnikov mitondra ny laharana 83 980 ny taim-bala. Efa nisy ny olona nosamborina natao fanadihadiana ny sabotsy ihany”, hoy izy. Nampanantena valisoa 4 tapitrisa ariary ho an’ireo manome loharanom-baovao ahafahana misambotra ireo olon-dratsy ity solombavambahoaka ity, ary naneho fa tsy hamela mora foana ny raharaha. Raha zohiana amin’io fanazavan’ity olom-boafidy ity io, dia misy ny karazana tsikombakomba avo lenta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.