Fandriampahalemana

Fanatsarana ny filaminam-bahoaka Nanome solika ny polisy ny fikambanana MMA


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

“Tsapanay ny ezaka goavana ataon’ny polisim-pirenena eto Toamasina amin’ireo vokatra azon’izy ireo, sy ny fanamby ataony amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka hatramin’izay, koa amin’ny maha-fikambanana tanora Malagasy Mandray Andraikitra anay dia mahatsapa izany fa ilaina ny fifanohanana amin’izy ireo ho antoky ny filaminam-bahoaka amin’izao ankatroky ny fety izao”,

 

 izay no nambaran’Atoa Andriamiarisoa Ansley, filohan’ny fikambanana tanora “MMA: Malagasy Mandray Andraikitra” Toamasina, nandritra ny fanoloran’izy ireo solika ho an’ny polisy Toamasina entina hanamafisana ny fisafoana samy hafa ataon’ny polisy amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka eny amin’ny fokontany eny. Nomarihan’ny talem-paritanin’ny filaminam-bahoaka Toamasina kosa, Jly Rakototiana Laubel Valison, fa “tsy vitan’ny polisim-pirenena ireny ny fifehezana izany filaminam-bahoaka izany noho ny fahamaroan’ny mponina sy ny fitomboan’isa ny andian-jiolahy ary ny fahavitsiana ara-isa eo amin’izy ireo; ka ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny polisy mba tena ho tanteraka marina ilay fiarovana ny vahoaka sy ny fanananany ary ny tanindrazana”. Ho an’ny fikambanana MMA izay hiatrika fivoriam-ben’izy ireo amin’izao famaranana ny taona 2017 izao, ka hamaritana ny asa miandry amin’ny taona vaovao 2018, dia nambaran’ireto mpikambana tanora ireto fa hanao bebe kokoa noho asa sosialy sy ara-puaraha-monina efa vitany hatreto izy ireo amin’ny taona vaovao io, satria mahantra ny malagasy ka ilaina ny fifanampiana mba hahazo ny anjara kely tokony ho azony ny tsirairay. Nisaoran’ity fikambanana tanora MMA Toamasina ity ihany koa ny ezaky ny mpikambana ao amin’ny tsirairay, sy ny fanampiana ataon’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka amin’izy ireo rehetra.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT