Fandriampahalemana

Fanasaziana zandary manao ny tsy mety Tsy mifidy galona, hoy ny SEG


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Namoaka ny antontan’isa mikasika ireo vokatra azon’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena nanomboka ny janoary teo ka hatramin’ny omaly alaronia 20 septambra ny fiadidiana ity sampan-draharaham-pitandroana ny filaminana ity.

  Nanamafy hatrany ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard, hoy ny fanambarana fa tsy mifidy galona ny fanasaziana izay mihoa-pefy. Porofo dia 16 hatreto ireo zandary voaroaka noho ny tsy fanarahana fitsipika, 25 no voatazona am-ponja ary misy manamboninahitra tafiditra ao anatiny. 127 ireo atao famotorana noho ny fandikan-dalàna na fandikana fitsipi-pifehezana ary mbola misy manamboninahitra ihany koa. Ampahany amin’ireo vokatra azo ny fiverenan’ny omby miisa 100 an’ny ben’ny tanànan’ny kaominin’i Manambina, distrikan’i Miandrivazo, rehefa notafihana dahalo 60 lahy mirongo basim-borona 30 sy basy marovava 1 ny 15 septambra teo. Ao anatin’ny ezaka hiadiana amin’ny famotsiana omby halatra ihany koa dia tao anatin’ny ombim-barotra 158 nosavaina teny amin’ny lalam-pirenena fahafito dia 135 no tratra tsy nisy kavina ka nogiazana avy hatrany. Saron’ny zandary tao Betroka koa ny 9 septambra teo ny tambajotrana mpanamboatra bala ho an’ny dahalo izay vovoka simika Chlorate de sodium 200kg ka nisamborana olona 8 izay dahalo ny 3 amin’izy ireo. Manentana ny rehetra ny zandary mba hiara-kisalahy amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT