Fandriampahalemana

Fanapoizinana niaro halatra Olona 5 nosamborina


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Ambohimanarivo distrikan’i Manjakandriana faritra Analamanga ny 18 mey lasa teo.

Naharay fitoriana mikasika ny tobin-janamparitry ny zandarimaria Ambohimanarivo mikasika tovovavy iray izay nanapoizina mpitondra moto iray no sady mbola nangalatra ihany koa. Raha tsiahivina ny tantara dia nikarama nanatitra an'i Lynda tany Talata vololonondry i Tahiry Manantsoa ilay mpitondra moto fa hoe hamonjy fahoriana itsy voalohany. Nony tonga tany an-toerana anefa izy ireo dia nomen'i Lynda yaourt ity farany ka nalemy tsy nahatsiaro tena ary nitsirara teo amoron'arabe. Nisy olona nampandre ny toby tao Ambohimanarivo ka avy hatrany dia nentin'ny zandary tany amin’ny CSB II Talata vololonondry i Tahiry. Rehefa taitra izy dia nanontaniana mikasika ilay moto nentiny. Marihina fa tsy nisy tadidiny afa-tsy izy niniana yaourt sy izy nitondra moto routière manga ihany. Tany Mangamila, distrikan’ Anjozorobe no hitan'ny zandary tao an-toerana ilay moto ka nokarohina ny nitondra azy ary fantatra tamin'izany i Vévé sy Lynda no tompon’antoka. Rehafa notadiavina izy ireo dia i Lynda ihany no tratra fa i Vévé kosa mbola tsy hita hatramin'izao. Ny fikarohana sy ny fanadihadiana natao no nahalalana sy nahafahana nisambotra olona 05 hafa mpividy sy mpamotsy ireo motos halatra amin'ny taratasy hosoka. Moto 03 hafa ankoatra ilay routière manga no hita tamin'ny fisavana ny tranon'izy ireo izay nahitàna ny moto routière, ody gasy, taratasina moto hosoka ary cachet hosoka amin'ny anaran'ny tranom-barotra Stone-Moto ao Soamanandrariny Antananarivo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT