FANAPARITAHANA VOLA SANDOKA

Ramatoabe 71 taona voasambotra


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Ramatoabe iray 71 taona no fantatra fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny

Boriborintany faha-6 etsy Ambohimanarina, ny Alakamisy 12 jona hariva teo teny Ambodimita, noho ny fanapariahana vola sandoka. Niandry harivariva efa manomboka mihamaizina iny ity vehivavy lehibe ity no nikasa hamitaka mpitazona « cash point » iray. Nilaza fa hametraka vola 320.000 Ar tao anaty findainy izy kinanjo tsikaritr’ilay mpitantana « cash point » fa vola sandoka ireo nentiny. Nampandre ny Polisy avy hatrany ilay lasibatra ka tonga ny mpitandro ny filaminana nirotsaka an-tsehatra. Rehefa nohamarinina dia vola sandoka 20.000 Ar miisa 16 no hita teny amin’ilay Ramatoabe. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy nanaovana fanadihadiana ka niakatra fitsarana tamin'ny faran'ny herinandro teo.
Pati
Légende : Ity ilay Ramatoabe sy ireo vola sandoka ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT