Fanapariahana sy fifohana

rongony eny Anosizato


  • Talata 10 Martsa 2026

45kg mahery sarona, 4 lahy nidoboka am-ponja

Lehilahy 17 sy 22 taona no tratra nifoka rongony teny Anosizato. Rehefa nasaina nanondro ny toerana fividianany rongony ry zalahy dia hita ny tranon'ny mpamatsy rongony ireo tanora eny an-toerana izay ao an-tanàn'Antandrokomby ihany.Vehivavy roa manodidina ny 25 taona eo no manao asa fivarotana ny sigara voarara izay saika ireo tovolahy tsy an'asa sy mpanao asa ratsy no mpanjifany."Baomba" lehibe miisa 45 milanja 200 grama no sarona tao amin'izy ireo.Fantatra fa tsy azo tapahina na hajanona ny fifohana rongony. Rehefa zatra ny vatana dia tsy maintsy mitaky azy foana. Ireo tovolahy malain-kisasatra sy midonanam-poana no tena tratrany noho izany ka maka ny an'olona, mandroba, manendaka, manao sinto-mahery, manao tontakely, manao asan-jiolahy. Rehefa tena tsy mahita intsony izy ireny dia ao an-tranon'ny ray aman-dreniny no hataony mahita faisana. Natolotra ny fitsarana omaly Alatsinainy 09 Martsa izy 4 mianadahy ka samy notazomina am-ponja vonjimaika any Antanimora avokoa.
Pati sy Mirija
Légende : Ireto izy 4 mianadahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT