FANAPAHAN-DOHA TANY BETSINJAKA

Mitaky fampiharan-dalàna ny fianankavian’ny maty


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Hiakatra fitsarana rahampitso Talata 10 Desambra ilay raharaha fanapahan-doha nitranga tany amin’ny Fokontany

 Ambolofotsy, Kaominina ambanivohitr’i Betsinjaka, distrikan’i Toliara II ny 27 Jolay lasa teo. Raha tsiahivina kely dia nisy fivoriam-pokonolona natao tany an-toerana tamin’io andro io. Nandritra izany no raikitra ny savorovoro ka olona iray no nisy nanapa-doha ary efa tsy nisy fofon’aina intsony no hitan’ny fianakaviany. Olona vitsivitsy no fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika vokatr’izany ka hiakatra fitsarana rahampitso. Miantso ny hampiharana ny lalana velona amin’ireo tena nahavanon-doza araka izany ny fianakavian’ny maty. Diso be loatra ny trangana tsy fandriampahalemana eto Toliara hoy izy ireo ka anisan’izany ny halatra zaza varira, ny halatra voamaso, ny hala-jaza….Tsy misy hita avokoa anefa hoy izy ireo ny marina mikasika ireny tranga ireny fa manjavona eny am-panidinana avokoa. Nantsoin’izy ireo hatramin’ny Filoham-pirenena moa nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana mba hijery akaiky ity tranga fanapahana lohan’olona tany Betsinjaka Toliara ity. Toraka izany koa ny Solombavambahoaka voafidy any an-toerana indrindra fa ireo mpitsara mpampihatra ny lalana ao amin’ny tribonaly ao Toliara.
Pati
Legende : Leo ny tsy fandriampahalemana eto Toliara ny ankamaroan’ny mponina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT