Fanapahan-doha mirongatra ao Vondrozo

Napetraka ny “opération Lopingo”


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Manoloana ny fanapahan-dohan’olona mirongatra ao amin’ny distrikan’i Vondrozo

dia napetraka ny hetsika na “opération” atao hoe Lopingo, hiadiana amin’izany, hoy ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana. Ny fanentanana ny mponina hametraka andrimasom-pokonolona na “quartiers mobiles”, ho fiantohana misimisy kokoa ny fandriampahalemana ao an-toerana no tanjona, hoy ny lietna kolonely, Eugène Rakotoarisoa, komandin’ny vondron-tobin’ny zandarimaria Atsimo Atsinanana. Miantrana ao an-toerana koa amin’izao fotoana izao ireo zandary avy amin’ity toby ity sy ny zandarimaria ao Fianarantsoa. olona miisa ahiahiana moa no efa notazomina am-ponja vonjimaika nanomboka ny 20 novambra teo. Mbola anaty fanadihadiana isika amin’izao, hoy hatrany ny fanazavana, ary efa misy porofo voaray an-tanana miampy vavolombelona iray. Amin’ity herinandro ity no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Ireo heverina fa faritra mena toa an’i Menabe, Melaky, Bongolava moa no nametrahana ny Lompingo, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT