Fandriampahalemana

Fanaovana sinto-mahery Lehilahy 4 voasambotra teny Isotry


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Noho ny fitarainan’ny olona amin’ny firongatry ny sinto-mahery eny amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina iny dia nanamafy hatrany ny ezaka amin’ny fampandriana fahalemana ny tanana ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahaefatra ka namerina indray ny

 

 

 

 « opération d’harcélement » izay efa asa fanaony. Nohetsehina indray araka izany ireo polisy miasa ao an-toerana fa manao ny fanamiana sivily. Omaly alahady 10 mey dia lehilahy miisa 04 no voasambotry ny polisy tokony tamin’ny 05 ora maraina ka ny iray dia teny akaikin’ny EPP Ambodin’Isotry. Ny ambiny kosa dia teny amin’ny tetezan-dRamala izay toerana tena hikoizana amin’ity asa ratsin’ireto mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ireto. Maro ny fitarainana sy fitoriana mahakasika azy ireo efa voarain’ny Polisy izay fantatra fa mitondra fitaovam-piadiana mihitsy indraindray.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT