Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Jeneraly Andriantsarafara Rakotondrazaka Kaomandin’ny fari-piadiadiana iraisam-paritry ny zandarimaria Antananarivo omaly hariva fa maty i Norber Ramandiamanana na Lama, jiolahy nokarohina hatry efa 20 taona.
Niantso ny tanan-kavanany teny Analamahitsy ary tonga tao izy ary tao no nanaovana ny velam-pandrika. Olona natokisany sy noheverina tsy hamadika azy io. Voatifitra ny teo amin’ny foto-peny I Lama satria namaly tsy nanaiky mora foana, izay niafara tamin’ny fahafatesany na notsaboina aza izy. Mbola nentina nanoro ny toerana fanafenany ireo olona nalaina an-keriny, ka misy trano natorony eny Manankasina Ma-Colline Ambohimahitsy fanafenany ireo olona, ary isan’izany i Anil Karim. Mbola tratra tao ny jiolahy anankiray izay zandriny ihany. Nisy ny fifampitifirana, ka mbola maty teo ihany koa io rahalahiny io.
Olona 3 mbola karohina
Vola 80 tapitrisa no hita tao anatin’ilay trano nipetrahan’ilay zandriny. Nialoha ny nahafatesan’i Lama dia notononiny avokoa ny zavatra rehetra izay nataony. Nisy “kidnapping” maro teo analenanelan’ny 2000-2019. 23 ny olona voarohirohy, izay efa nisy ny navotsotra. Misy zandary tafiditra ao anatin’ity raharaha ity, izay vao nosamborina, niampy ramatoa iray mpandamina sy mpandrindra ny asa ratsy. Nisy lehilahy antsoina hoe Abdoul tany Ambaja, ary efa nigadra saingy efa votsotra ka naverina nosamborina. Nidoboka eny Tsiafahy izy roalahy, ary eny Antanimora ilay vehivavy. Tao anatin’ny fanadihadiana no nanononan’i Lama ny tena tanan-kavanany roa antsoina hoe Rajim sy Herman antsoina amin’ny anarana hoe: “Man”, miampy teratany karana iray malaza amina kidnapping, izay voalaza fa mialokaloka any Kaomoro, ary efa atao ny dingana ara-pitsarana ahafaha-misambotra azy. Mbola homena tambiny 200 tapitrisa ariary ho an’izay manome vaovao mahakasika ireo olona ireo. Efa nozaraina taman’olona nanome loharanom-baovao kosa ilay tambiny ho an’izay nanampy nahazoana an’i Lama. Afera farany nahavoatonona an’i Lama ilay kidnapping natao tamin’i Anil Karim mpandraharaha karana mpamongady fanafody, izay votsotra ny talata 12 mey teo. 2 miliara no voalaza fa tambiny, saingy mbola mandeha ny fanadihadiana lalina mahakasika izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.