Fandriampahalemana

Fanamiana nanamarika ny 12 janoary Andrasana ny fanamarinana sy fanazavan’ny Filoha


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Ny 12 Janoary dia andron'ny manamboninahitry ny tafika Malagasy. Toy ny isan-taona dia nanamarika izany tamin'ny fiarahana tamin'ireo miaramila eo amin'ny rezimantan'ny vondrona mpiambina ny fiadidian'ny Repoblika ny tenako,

 hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, omaly. Niaraka nihazakazaka sy nanao fanatanjahantena izahay, hoy izy. Fotoana mahafinaritra ahy manokana satria natao tao anatin'ny firahalahiana izany. Amin'izao fiantombohan'ny taona izao dia nametraka hafatra aho ho an'ny manamboninahitry ny tafika Malagasy rehetra manerana ny Nosy amin'ny ny maha-zava dehibe ny fampisehoana firaisan-kina sy ny fenetren-tena eo anivon'ny tafika. Izy ireo mantsy no tandroka aron'ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena. Miaro ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana, noho izany. Izy ireo no tokony ho maodely sy fitaratra amin'ny fitondran-tena, ny fahitsiana, ny fandavan-tena ary ny fanompoana tanindrazana . Nanainga azy ireo aho ny hitandro lalandava ny hasin’ny andraikitra sy ny adidy masina nankinin’ny firenena tamin'izy ireo, hoy hatrany ny tenany. Tetsy ankilany dia niteraka resabe ny fanamian’ireo manamboninahitra niara-nankalaza ity datin’ny faha 12 janoary ity satria dia narevaka sy nirentirenty fatratra ny volomboasary. Ny volomboasary izay iaraha-mahalala fa lokon’ny antoko politika TGV izay naorin’ny filoham-pirenena Malagasy ankehitriny. Misy amin’ireo mpiaradia taminy moa no milaza fa tsy io ilay volomboasary tena lokon’ity antoko ity. Na izany na tsy izany dia azo antoka fa efa tokony nampoizin’ny ankamaroan’ireo tandapa ny ho resabe aterak’iny tranga omaly iny satria voadidin’ny lalana velona eto amin’ny tany sy ny firenena tsy hiandany amina firehana politika na antoko politika izany foloalindahy izany ary “tsy natao hanao politika” ihany koa. Ny zava-nisy anefa dia toy ny nisalotra loko politika ara-bakiteny ny fahitan’ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao azy ireo omaly. Efa lasa mersenera fa tsy tandroka aron’ny vozona intsony ve ny foloalindahy, hoy ny fanontaniana mipetraka? Asa indray izay ho fanazavana sy fanamarinana omen’ny filoha iny fihetsika niarahany tamin’ireo heverina ho be tsy miteny na “grande muette” omaly iny fa dia andrasana aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT