Fanamboarana vola sandoka

Tovolahy kely vao 22 taona sarona


  • Talata 29 Aogositra 2023

Mpampiasa sady mpanaparitaka vola sandoka no saron'ny polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Anôsy ny 25 Aogositra lasa teo tao Taolagnaro.

Fantatr'ireo Polisy tany an-toerana, noho ny angom-baovao voaray, fa misy olona mampiasa sy manaparitaka vola sandoka tao amin'ny tsenaben'Amparihy Taolagnaro. Natao ny vela-pandrika ka lehilahy iray no tratra nampiasa vola sandoka rehefa saika hividy entana. Nisy vola sandoka 20.000Ar roa sy 10.000Ar efatra tany aminy tamin'io fotoana io. Mbola tratra tao an-tranony ihany koa ireo taratasy maromaro fanamboarana ireo vola sandoka. Noentina avy hatrany tany amin'ny biraon'ny polisy ity mpanao asa ratsy ity ka fantatra fa vao 22 taona monja ary monina ao Amboanato kaomominina ambonivohitr'i Taolagnaro. Mitohy ny fanadihadiana hataon'ny polisin'Anôsy mikasika Ity vola sandoka miparitaka any an-toerana Ity noho izany.
Pâti
Légende : Vao 22 taona dia efa milona anaty asa ratsy ity tovolahy kely Ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT