Fanamboarana « Autoroute »

Tratra ireo mpanodinkodina gazoala


  • Talata 11 Jona 2024

Nifanehitra tamin'ny Zandary mpanao fisafoana ny alin’ny 08 hifoha 09 jona lasa

teo ny fiara tsy mataho-dalana iray nitondra gazoala miisa 16 bidons amin'ny 20 litatra isanisany. Rehefa nanontaniana ny fiavian'ireo gazoala ireo ny olona izay tao anatin'ilay fiara dia niaky fa halatra teny amin'ny fiara vaventy mpanamboatra ny lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina ireo nentiny ireo. Omaly Alatsinainy 10 jona 2024 no nosamborin’ ny Zandary avy ao amin'ny Borogadin’i Talata Volonondry ireo mpiasa ao anatin'ity orinasa mpanao ny lalana ity, izay fantatra fa namoaka ireo gazoala ireo. Miisa dimy lahy izy ireo izay fantatra fa efa mamelom-bady aman-janaka avokoa. Hiakatra fitsarana rahampitso Alarobia 12 Jona ny raharaha.
Pati
Legende : Ireo gazoala halatra sy ireo olona nanodinkodina azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT