Fandriampahalemana

Fanambazana 3 tapitrisa ariary ny zandary Kolikoly no saika hatao, fisamborana no niandry


  • Zoma 03 Novambra 2017

Toerana efa tena anjakan’ny asan-dahalo ny any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ankehitriny.

Tsy mitazam-potsiny ny zandary sy ny miaramila fa miezaka hatrany amin’ny famongorana ity asa ratsy ity. Izay omby tsy ara-dalàna dia giazana avy hatrany amin’ny alalan’ny fampidirana “fourière”, ka efa maro ireo natao izany. Etsy an-kilany, misy ireo olona manjono ny mpitandro ny filaminana, ka mihazakazaka ireo milaza ho tompon’omby manamboatra taratasy tsy mazava, indrindra manambitamby ireo zandary hahafahana mamerina ireo omby nogiazana. Anisan’ny nanao izany ny vehivavy roa avy any Antsaokamadinika ka tonga tao amin’ny kaomandin’ny kaompania Ambatondrazaka nikasa hanome vola 3 tapitrisa ariary an’io lehiben’ny zandary io ho tambin’ny famoahana ny omby. Tsy nanaiky anefa io tompon’andraikitra io, ka toy ny nitono tena toy ny lolo fotsy izy ireo, ka nosamborina avy hatrany. Malaza amin’ny resaka kolikoly ny ankamaroan’ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy azo atao safobemantsina satria misy ihany koa ireo manao ny asany am-pahamarinana sy am-pahamendrehana, izay tokony halain-tahaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT