Fanamafisana ny fitoniana sy filaminana

Hametraka paikady hentitra ny OMC Nasionaly


  • Talata 04 Novambra 2025

Natao omaly hariva tao amin’ny

Lapan’i Mahazoarivo ny fivoriana nasionaly niarahana tamin’ireo Minisitra mandrafitra ny OMC Nasionaly, notarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Herintsalama Rajaonarivelo. Nifantoka tamin’ny fametrahana paikady hentitra sy maharitra ho fanamafisana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsôsialy manerana an’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fiadidian’ny Primatiora. Nandinika manokana ny fomba hanamafisana ny fiarovana amin’ireo sehatra rehetra tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny mpikambana. Nohamafisina fa ilaina ny fiaraha-miasa akaiky sy mirindra eo amin’ireo rafitra rehetra, na avy amin’ny foibe na amin’ny lafin-tany, mba hahafahana mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an’ny olom-pirenena rehetra. Tapaka fa hampitomboina ny fahefam-panjakana amin’ny faritra sy distrika tsirairay. Nohamafisina ny andraikitry ny solontenam-panjakana amin’ny fitarihana sy fandrindrana ny asan’ireo OMC eny ifotony, ho fandraisana andraikitra hentitra amin’ny famerenana sy fanamafisana tanteraka ny filaminana. Nampahatsiahy ny Praiminisitra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana lalàna, indrindra manoloana ireo adihevitra sy fifandirana mety hiteraka tsy fifankahazoana. Nanentana ny rehetra izy mba hijanona ao anatin’ny fanajana ny soatoavina fototra napetraky ny Fitondram-panjakana: ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana. Ireo no antoka haharetan’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Isan’ny adidy goavana sy ilàna paikady mahomby avy amin’ny Fitondram-panjakana fanamafisana ny fiarovana sy hanatsara ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra hentitra, mirindra ary maharitra,… indrindra eo anatrehan’ny ambana politika samihafa. Ilaina ny fanamafisana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsôsialy sy ara-politika eto Madagasikara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT